Luke 5

1Ary izao no nitranga, raha nitangorona nanodidina an’i Jesosy ireo olana ary nihaino ny tenin’ Andriamanitra, dia nitsangana teo amoron’ny farihin’i Genesareta Izy. 2Nahita sambokely roa nijanona teo amoron’ny farihy Izy. Efa nivoaka tao ireo mpanjono ary nanasa ireo haratony. 3Niditra tao amin’ny iray tamin’ireo sambokely Jesosy, izay an’i Simona, ary nangataka azy mba handefa izany eny amin’ny rano lavidavitry ny tanety. Avy eo dia nipetraka Izy ka nampianatra ireo olona teny ivelan’ny sambokely.

4Rehefa nitsahatra niteny Izy, dia niteny tamin’i Simona Izy hoe: “Ento ny ho any amin’ny rano lalina kokoa ny sambokely dia halatsao ny haratonareo mba ahazoanareo hazandrano.” 5Simona namaly Azy ka niteny hoe: “Tompo o, efa niasa ny alina tontolo izahay, fa tsy nahazo na inona na inona, fa nohon’ny teninao, dia ho halatsako ireo harato.” 6Rehefa nataon’izy ireo izany, dia nahangona hazandrano maro dia maro izy ireo, ary nitriatra ireo haraton’izy ireo. 7Koa nanao fihetsika tamin’ireo namany izay tao anatin’ilay sambokely iray hafa izy ireo fa izy ireo fa tokony ho avy ary hanampy azy ireo. Dia tonga izy ireo ka nameno ny sambokely roa, ka dia nanomboka nilentika izy ireo.

8Fa Simona Petera, raha vao nahita izany, dia niankohoka teo an-tongotr’i Jesosy, niteny hoe: “Mialà amiko, fa lehilahy mpanota aho.” 9Fa gaga izy, sy ireo izay rehetra niaraka taminy, nohon’ny haben’ny hazandrano izay azon’izy ireo. 10Tao anatin’izany Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio, izay mpiara miasa amin’i Simona. Jesosy niteny tamin’i Simona hoe: “Aza matahotra, fa manomboka izao dia hanarato olona ianao.” 11Rehefa nentin’izy ireo teny an-tanety ny sambokelin’izy ireo, dia namela ny zavatra rehetra izy ireo ka nanaraka Azy.

12Dia nitranga izao raha mbola tao amin’ny iray tamin’ireo tanàna Izy, dia nisy lehilahy feno habokana teo. Nony nahita an’i Jesosy izy, dia niankohoka teo Aminy ary nitalaho taminy, nanao hoe: “Tompo, raha mety ianao, dia afaka manadio ahy.” 13Ary dia naninjitra ny tanany Jesosy ary nikasika azy, niteny hoe: “Mety aho. Madiova.” Teo noho eo dia afaka taminy ny habokana.

14Norarany izy mba tsy hilaza na amin’iza na amin’iza, fa nolazainy taminy hoe: “Zory ny lalanao, misehoa amin’ny mpisorona ary manolora sorona ho an’ny fanadiovana anao, araka izay nandidian’i Mosesy, mba ho fijoroana vavolombelona amin’izy ireo.”

15Kanefa ny tatitra momba Azy dia niely lavitra kokoa aza, ary vaohaka maro be no niara-tonga mba hihaino Azy nampianatra ary mba ho sitrana amin’ny aretin’izy ireo. 16Kanefa matetika Izy dia niala nankany any amin’ny tany foana ary nivavaka.

17Ary tamin’ny andro iray tamin’ireo andro nampianarany, dia nisy Fariseo sy mpampiana-dalàna nipetraka teo izay avy amin’ny tanàna samihafa ao amin’ny faritry Galilia sy Jodia, ary ihany koa avy ao amin’ny tanànan’i Jerosalema. Ny herin’ny Tompo no tao aminy mba hanasitranana.

18Ary nisy lehilahy sasany tonga, nitondra lehilahy anankiray izay voan’ny paralisisa teo amin’ny fandriana, ary izy ireo dia nitady fomba hitondrana azy ao anatiny mba hametrahana azy ho eo anoloan’i Jesosy. 19Tsy nahita fomba hampidirana azy tao anatiny izy ireo noho ireo vahoaka, noho izany dia nankany amin’ny tampo-trano izy ireo ary nampidina ny fandrian’ilay lehilahy avy eo an-tafo trano, tamin’ny fandriany, teo afovoan’ny olona, teo anoloan’i Jesosy.

20Rehefa nahita ny finoan’izy ireo, dia hoy Jesosy hoe: “Ralehilahy, voavela ny helokao.” 21Nanomboka nanontany ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo, ka niteny hoe: “Iza moa ity izay miteny ratsy ity? Iza no afaka mamela ny fahotana afa-tsy Andriamanitra irery ihany?‘’

22Fa Jesosy, nahalala izay noeritreretin’izy ireo, namaly ary niteny azy ireo hoe: “Nahoana ianareo no manontany izany ao am-ponareo? 23Inona no mora lazaina kokoa: ‘Voavela ny helokao’ sa ny miteny hoe: ‘Mitsangana ary mandehana?’ 24Nefa mba hahafantaranareo fa ny Zanak’Olona dia manam-pahefana hamela heloka eto an-tany, dia lazaiko aminao, mitsangàna, ento ny fandrianao ary mandehana any an-tranonao.”

25Teo noho eo dia nitsangana teo anoloan’izy ireo izy ary naka ilay fandriana izay nandriany. Avy eo dia niala nankany an-tranony izy, nanome voninahitra an’Andriamanitra. 26Talanjona ny rehetra ary nanome voninahitra an’Andriamanitra izy ireo. Feno tahotra izy ireo, niteny hoe: “Nahita zava-mahagaga isika androany.”

27Taorian’ny nitrangan’ireo zavatra ireo, dia niala teo i Jesosy ka nahita mpamory hetra iray izay antsoina hoe Levy nipetraka teo amin’ny trano lain’ny mpamory hetra. Niteny taminy Izy hoe: “Manaraha Ahy.” 28Dia nitsangana i Levy ka nanaraka Azy, ka namela ny zava-drehetra.

29Dia nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an’i Jesosy i Levy. Betsaka ireo mpamory hetra sy ireo olona hafa izay nipetraka teo amin’ny latabatra ary nihinana niaraka tamin’izy ireo. 30Kanefa ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna dia nitaraina tamin’ireo mpianany, niteny hoe: “Nahoana ianao no mihinana sy misotro miaraka amin’ireo mpamory hetra sy ny olona mpanota hafa?” 31Namaly azy ireo Jesosy hoe: “Tsy mila dokotera ny olona salama; fa ireo marary ihany. 32Tsy tonga hiantso ny olo-marina ho amin’ny fibebahana Aho, fa hiantso ny mpanota ho amin’ny fibebahana.”

33Dia hoy izy ireo taminy hoe: “Ireo mpianatr’i Jaona dia matetika mifady hanina sy mivavaka, ary ireo mpianatr’ireo Fariseo dia manao toy izany koa. Kanefa ny mpianatrao dia mihinana sy misotro.” 34Jesosy niteny azy ireo hoe: “Moa ve misy olona mahavita mampifady hanina ny havan’ny mpampakatra raha toa ka mbola mitoetra eo amin’izy ireo ny mpampakatra? 35Fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra eo amin’izy ireo, ary amin’izany andro izany dia hifady hanina izy ireo.‘’

36Dia nanao fanoharana tamin’izy ireo koa Jesosy. “Tsy misy olona mandrovitra tapa-damba avy amin’ny lamba vaovao ary mampiasa izany mba hanamboarana ny lamba tonta. Raha manao izany izy, dia hanimba ilay lamba vaovao, ary ilay tapa-damba avy amin’ilay lamba vaovao dia tsy hifanaraka amin’ilay lamba tonta.

37Tsy misy olona manisy divay vaovao ao anatin’ny siny hoditra tonta. Raha manao izany izy, dia hampitriatra ny hoditra ilay divay vaovao, ary dia ho raraka ny divay, ary ho simba ilay siny hoditra. 38Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy atao ao anatin’ny siny hoditra vaovao. Tsy misy olona avy nisotro ny divay taloha ka haniry ny vaovao, fa hoy izy hoe: ‘Ilay taloha no tsara.”’

39

Copyright information for PltULB